Nidona tamin’ny kamiao: Lehilahy iray namoy ny ainy, roa hafa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny zoma tolakandro, tamin’ny 3 ora sy fahatelony lasa teo. Nitranga tany Ampangabe, Analaman­ga Park ny loza. Nidona mafy tamin’ny kodiaran’ny fiarabe mpitatitra entana, nifanena taminy, ny moto iray. Naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy ny lehilahy 25 taona, nitondra io kodiaran-droa io. Noentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha saingy tsy tana ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy. Raha ny fanazavana voaray, tapaka ny tongony, ny tanany sy ny hatony ary goaka ihany koa ny tao amin’ny lohany aoriana. Raha ny fanazavana voaray, avy aty Antananarivo ary nikasa hihazo an’Antsirabe ny lehilahy maromaro. Samy nitondra moto izy ireo ary nandeha mafy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Ani­san’ ny nanaovan’ny mpitondra fiara fitarainana tamin’ny tambajotra an-tserasera ny fisian’ireo andian-jatovo nitondra kodiaran-droa ireo saingy izao tra-doza izao. Fiarabe mpitatitra entana avy any atsimo ary hiakatra aty Antananarivo no nifanena tamin’izy ireo. Nana­janona ny fiara avy hatrany ny mpamily rehefa nahita izany. Tsy tafajanona anefa io mpitondra namoy ny ainy io fa nifatratra tany amin’ilay fiara. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa avy any Ambatolampy.
Ankoatra izay, olona roa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Andohatapenaka, afakomaly alina. Nifatratra mafy tamin’ny valahan’ny fiara be mpitatitra entana iray io fiarakely io. Niforitra tanteraka ny fiara vokatry ny dona mafy nahazo azy. Naratra mafy ny olona roa tao anaty fiara ary noentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Mino

Partager sur: