Fanadiovana sy fanatsarana ary fametrahana ny toerany ny baolina kitra amin’ny maha fifaninanana ara-dalàna azy no ilaina apetraka eto Madagasikara. Io no antsoantson’ireo mpankafy baolina kitra tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Atsaharo ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana ramatahora, hoy izy ireo.
Tonga namaly ny antson’ireo «4 mousquetaires»-n’ny baolina kitra, Bôlida, Anicet, Paulin ary Faneva Ima, ny mpitia baolina kitra, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Tazana teny an-toerana avokoa ireo mpilalao fahiny, mpanazatra, mpitsara, mpilalao ankehitriny, mpitantana klioba, sekolin’ny baolina kitra ary mpankafy sy mpijery. Nitarika ny hetsika i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar, teo aloha. Nivantana ny teny nataony fa tsy fanonganana ny federasionina no anton’ny fiantsoana ireo mpisehatra fa fanadiovana sy fanamboarana ny tsy mety hatramin’izay. «Atsaharo ny fampitahorana sy ny fanaovana tsindry hazo lena», hoy izy. Nopotseriny ny vay maharary ny baolina kitra amin’izao fotoana izao ka nilazany fa tia vola loatra ny mpitantana ankehitriny. Nambarany fa zavatra tsy fanao amin’ity taranja ity izany mikasi-tanana mpilalao izany ary ny fibaikoana mpitsara. Notsindriany fa aleo handeha mazava ny fifaninanana fa aza terena handresy foana ny ekipan’ny mpitantana.
Nankahery ireo tratry ny tsindry hazo lena sy teritery ny tenany hilaza ny mahazo azy ireo. Taorian’izay, nifandimby nandray fitenenana ireo nahita tsy fetezana sy nahatsapa fa tsy salama ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Nanohana sy nitondra fankaherezana ho an’ity tolona ho an’ny baolina kitra ity koa ireo mpilalaon’ny Makis de Madagascar, teo aloha.
Niavaka kosa ny lahateny nataon’i Synthia ilay «influenceuse» mipetraka any Frantsa. «Aleo handeha ny baolina kitra madio ka esorina izay mpitantana tsy mahavita», hoy izy.
Santatra iny tamin’ny sabotsy iny raha ny nambaran’i Faneva Ima fa mitohy ny tolona mandra-pisian’ny fanovana ka ho lasa baolina kitra madio no hisy eto amin’ny tanàna.
Tompondaka




