Toamasina : Harenina haingana ny fefiloha Farafaty

Tsy niandry ela ny fanjakana fa avy hatrany dia nijery ny olan’ny rano tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tapaka ny fefiloha Farafaty ny alakamisy alina, ka niteraka fahatapahan-drano tao Toa­masina.
Nidina avy hatrany nitondra vahaolana vonjimaika ny ekipan’ny minisiteran’ny Rano sy fahadiovana ary fidiovana izay notarihin’ny minisitra niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eny ifotony.
Napetraka avy hatrany ireo vahaolana vonjimaika telo dia ny fametrahana « batardeau » izay niarahana tamin’ireo rafi-panjakana maro sy mpiara-mombon’antoka. Hana­mpy amin’ny famerenana ny fikorianan’ny rano no nametrahana izany.
Teo koa ny fiaraha-miasa amin’ny ONG Ranontsika ho fanamaivanana ny vidin-drano amin’ny famatsiana haingana. Ankoatra izany, ny fametrahana kamiao mitondra rano hanampy amin’ny famatsiana vonjimaika ho an’ny mponina.
Efa eo am-panomanana ny fanarenana tanteraka ny « barrage » Farafaty ny fanjakana mba hiantohana ny famatsian-drano maharitra ho an’ny tanànan’i Toamasina.
« Nanome toromarika Andriamatoa Filoha amin’ny fikaroham-bahaolana haingana amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny sehatry ny rano ahy dia tonga eto an-toerana aho mijery ny zava-misy ary isaorana ny firaisankina sy fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny toe-javatra maika », hoy ny minisitry ny rano, Razafin­drianina Minosoa Elia.

Tatiana A

Partager sur: