Angovo azo havaozina: Hamatsy 2MW ny RIA ny toby ao Ambohidrano

Hihena ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Ha­ma­tsy ny famokarana herinaratra eo ani­von’ny tambajotra iraisan’Antanana­rivo (RIA) ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’
ny masoandro ao Ambohidrano, Sa­bo­tsy Namehana.

Maherin’ny 2MW ny ango­vo azo avy amin’ ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny ma­soandro (Centrale solaire) ao Ambohidrano Atsinanana, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Hamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ity fotodrafitrasa goavana ity ary hihena ihany koa ny delestazy. Tonga nitsidika ity fotodrafitrasa goavana ity ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, ny alahady teo. Nano­me toromarika amin’ny hanafainganana ny asa ny tenany. Tao anatin’izay, nilaza ny mi­nisitra fa «manana tanjaka 7MWc ity tobim-pamokarana izay midadasika amina velaran-tany maherin’ny 7ha ity.  Manana takelaka masoandro (panneaux photovoltaïques) miisa 12 180 ireo CS, misy vatoaratra manana tanjaka hatrany amin’ny 4,2 MWh ary vata mpanova herinaratra miisa 7, mitotaly 6 500 Kva. » Manampy izany, ahitana « on­duleur solaire » miisa 65, « onduleur bidirectionnel 21 ary toerana fanodinana herinaratra 7, izay samy manana fahafahana 1,3 MWh isany avy ireo CS.
Ankehitriny, 60% ny asa no efa vita ary ny 35% ireo takelaka no efa mitsangana, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny tetikasa New Energy Africa (NEA), Loïc Hoinville.

Fiaraha-miasa
Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana, ny orinasa Jirama ary ny NEA no nahazoana ny tetikasa. «Tan­j­ona voalohany ny hampihena ny fahatapahan-jiro”, hoy ny minisitra. Notsindriny ma­nokana fa hamatsy ny fahabangana 30MW amin’ny RIA ny fotodrafitrasa mba hampihenana avo efatra heny ny delestazy misy amin’izao fo­toana. Araka izany, hafainganina ka vinavinaina ho vita amin’ny volana janoary 2026 ny asa rehetra, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny, nilaza ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Jirama, Rabarison Heritiana, fa «tsy mamokatra amin’ny alina ireo vatoaratra fa hampitombina kosa ny fa­mokarana. Mio­vaova ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Araka izany, hamatsy ny famokarana avy hatrany ireo vatoaratra vao misy sendran-drahona hisorohana ny fihenan’ny famokarana». Na izany, ambany ary manodidina ny 1,2 hatramin’ny 1,5MW ny fa­mokarana amin’ny alina.
Ankilany, tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny hametrahana « groupe électrogène » ha­nam­py ny tambajotra amin’ny fotoana mahabe mpampiasa ny he­rinaratra. « Efa misy ny vata mpanova herinaratra mi­fana­raka amin’ny filana. Ma­tanjaka kokoa izany rehefa miampy ireo milina efa misy », hoy ny tomponandraikitry ny Jirama. Nanamafy ny tale jeneralin’ny NEA fa azo atao ny manampy ny angovo azo avy amin’ny ma­soandro sy ny fitahirizana izany. « Azo tanterahina izany saingy mila ny hevitr’ireo injeniera handinika ny filàna fototra, indrindra amin’ny fotoana mampitombo ny mpanjifa », hoy ny fanazavany.

Tetikasa
Ao anatin’ny dingana voa­lohan’ny tetikasa fametrahana ny tobim-pamokarana he­rinaratra ao Ambohidrano ny ha­mokatra hatrany amin’ny 43,5MWc izay hisandrahaka amina faritra maro manerana ny Nosy, toy ny eto Antana­narivo, Nosy Be, Mahajanga, Toliara ary Antsiranana, raha ny fanazavan’ny sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny Ango­vo sy ny akoranafo, Randrian­tsoa Thierry. Notsi­pihiny fa efa am-perinasa avokoa ireo to­bim-pamoka­rana eto Antana­narivo. Nan­deha nanomboka ny volana oktobra teo ny eny Ambato­mi­ra­havavy izay ma­mokatra 1,5MW, ny ao Ampan­gabe izay mamokatra 10MW ary ny any Arivonimamo izay ma­mokatra 25MW. Ankoatra an’ Antananarivo, efa misitraka herinaratra 2MW avy amin’
ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny ma­soandro ihany koa ny ao Ma­hajan­ga. 3MW ho an’i Nosy­Be, 3MW ihany koa ho an’ Antsira­na­na ary 2,5MW ao Toliara.

Nanatontosa :
Henintsoa

Partager sur: