Hihena ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Hamatsy ny famokarana herinaratra eo anivon’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’
ny masoandro ao Ambohidrano, Sabotsy Namehana.
Maherin’ny 2MW ny angovo azo avy amin’ ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) ao Ambohidrano Atsinanana, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Hamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ity fotodrafitrasa goavana ity ary hihena ihany koa ny delestazy. Tonga nitsidika ity fotodrafitrasa goavana ity ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, ny alahady teo. Nanome toromarika amin’ny hanafainganana ny asa ny tenany. Tao anatin’izay, nilaza ny minisitra fa «manana tanjaka 7MWc ity tobim-pamokarana izay midadasika amina velaran-tany maherin’ny 7ha ity. Manana takelaka masoandro (panneaux photovoltaïques) miisa 12 180 ireo CS, misy vatoaratra manana tanjaka hatrany amin’ny 4,2 MWh ary vata mpanova herinaratra miisa 7, mitotaly 6 500 Kva. » Manampy izany, ahitana « onduleur solaire » miisa 65, « onduleur bidirectionnel 21 ary toerana fanodinana herinaratra 7, izay samy manana fahafahana 1,3 MWh isany avy ireo CS.
Ankehitriny, 60% ny asa no efa vita ary ny 35% ireo takelaka no efa mitsangana, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny tetikasa New Energy Africa (NEA), Loïc Hoinville.

Fiaraha-miasa
Vokatra azo tamin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana, ny orinasa Jirama ary ny NEA no nahazoana ny tetikasa. «Tanjona voalohany ny hampihena ny fahatapahan-jiro”, hoy ny minisitra. Notsindriny manokana fa hamatsy ny fahabangana 30MW amin’ny RIA ny fotodrafitrasa mba hampihenana avo efatra heny ny delestazy misy amin’izao fotoana. Araka izany, hafainganina ka vinavinaina ho vita amin’ny volana janoary 2026 ny asa rehetra, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny, nilaza ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Jirama, Rabarison Heritiana, fa «tsy mamokatra amin’ny alina ireo vatoaratra fa hampitombina kosa ny famokarana. Miovaova ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Araka izany, hamatsy ny famokarana avy hatrany ireo vatoaratra vao misy sendran-drahona hisorohana ny fihenan’ny famokarana». Na izany, ambany ary manodidina ny 1,2 hatramin’ny 1,5MW ny famokarana amin’ny alina.
Ankilany, tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny hametrahana « groupe électrogène » hanampy ny tambajotra amin’ny fotoana mahabe mpampiasa ny herinaratra. « Efa misy ny vata mpanova herinaratra mifanaraka amin’ny filana. Matanjaka kokoa izany rehefa miampy ireo milina efa misy », hoy ny tomponandraikitry ny Jirama. Nanamafy ny tale jeneralin’ny NEA fa azo atao ny manampy ny angovo azo avy amin’ny masoandro sy ny fitahirizana izany. « Azo tanterahina izany saingy mila ny hevitr’ireo injeniera handinika ny filàna fototra, indrindra amin’ny fotoana mampitombo ny mpanjifa », hoy ny fanazavany.
Tetikasa
Ao anatin’ny dingana voalohan’ny tetikasa fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohidrano ny hamokatra hatrany amin’ny 43,5MWc izay hisandrahaka amina faritra maro manerana ny Nosy, toy ny eto Antananarivo, Nosy Be, Mahajanga, Toliara ary Antsiranana, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, Randriantsoa Thierry. Notsipihiny fa efa am-perinasa avokoa ireo tobim-pamokarana eto Antananarivo. Nandeha nanomboka ny volana oktobra teo ny eny Ambatomirahavavy izay mamokatra 1,5MW, ny ao Ampangabe izay mamokatra 10MW ary ny any Arivonimamo izay mamokatra 25MW. Ankoatra an’ Antananarivo, efa misitraka herinaratra 2MW avy amin’
ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ihany koa ny ao Mahajanga. 3MW ho an’i NosyBe, 3MW ihany koa ho an’ Antsiranana ary 2,5MW ao Toliara.
Nanatontosa :
Henintsoa




