Seho ankalamanjana nanana endrika fampianarana sy fampitan-kafatra ary tsodrano. Notanterahina ny sabotsy teo ilay hetsika lehibe nanandratana ny « Hiran’ny Ntaolo sy dihin’ny Ntaolo » notanterahina teo Analakely. Taorian’ny diabe niainga teny Ambohijatovo izay nifarana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, notanterahin’ny tarika Loharano sy ireo vondrom-piarahamonina samihafa ny fanehoana ireo dihy sy hira fanaon’ny Ntaolo fahiny. Naseho sy nohazavaina ihany koa ireo hasina sy fomba voarakitr’ireny hira sy dihy ireny. Iray amin’ny lehibe indrindra amin’izany ny fampahatsiahivana fa mino sy mahafantatra tsara ary manaja fatratra an’Ilay Nahary ny Malagasy. Nampitain-dry zareo tamin’ireo nanatrika izany avy eo.
Anisan’ny antony nanatontosana izao hetsika izao, raha ny fanazavan’ny tarika Loharano, ny hamerenana indray ny kolontsaina malagasy mba ho fantatry ny Malagasy sy hiainany izany indray. Na ny fomba fitafy, ny zavamaneno nampiasaina, samy nohazavaina sy nampitaina ny zava-ponosiny sy ny hasina ananany.
Liana ireo nanatrika. Antony iray nilazan’ny tomponandraikitra fa hotohizana ny fampahafantarana ny kolontsaina malagasy, satria, io no anisan’ny fototra mampijoro ny firenena iray. Io ihany koa no hampandroso azy fa tsy ireo indramina any amin’ny firenena hafa.
HaRy Razafindrakoto




