Fanoloana an-dRalisy amin’ny «Meeting de la Réunion»: «Misy teknisianina manakorontana”, hoy i Johnson, filohan’ny 3FB

J-24 mialoha ny hiatrehan’ny atleta malagasy ny “Meeting de la Réunion”, misavoritaka tanteraka ny delegasionina noho ny fisian’ny resaka fanoloana atleta handray anjara amin’izany. Nitondra fanazavana ny filohan’ny klioba sy ny federasionina fa tsy misy fanoloana atleta izany fa misy teknisianina minia manakorontana.

Niteraka resabe, ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fiatrehan’ny atleta malagasy ny “Meeting de la Réunion”, hatao ny 29 novambra ho avy izao. Voaresaka manokana ny amin-dRalisy, atletan’ny 3FB fa ho soloina mpihazakazaka hafa, noho ny fahalanian’ny datinandron’ny pasipaorony. “Tsy misy Ralisy soloina izany fa misy teknisianina manakorontana ao”, hoy Rafenomanga Johnson, filoha’ny klioba 3FB. Nomarihiny fa efa vonona ny 3FB hanavao ny pasipaoron-dRalisy, saingy ity farany, mandainga fa tsy miraharaha azy ny klioba ka mangataka fanampiana etsy sy eroa. “Fanalam-baraka ny minisiteran’ny Fahasa­lamana misy ny 3FB izany”, hoy izy.
Nohamafisin-dRaherison Dominique, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma, fa nahazo fanasana avy any La Réunion ny Malagasy ka ny halavirana 60 m, 600 m, 200 m, 1500 m ary 3000 m no handraisana anjara. Atleta tompondakan’i Madagasikara avokoa no hiatrika izany ary efa nalefa any an-toerana ny antotan-taratasy rehetra mom­ba azy ireo. Miandry ny tapakila sy ny fanasana ary ny fampiantranoana ny federasionina hahazoana maka ny “visa” ao amin’ny TLS sy ny fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena. Nambarany fa avy hatrany dia nanapaka ry zareo re­nione fa i Harilala Stephanie no mpanazatra, saingy nolavin’ny federasionina izany satria olona voasazin’ny ligin’Iho­rombe misy azy izy. “Aleo ha­zava fa tsy misy fanoloana an-dRalisy izany ato amin’ny fe­derasionina. Koa raha misy lisitra hafa any dia tsy avy ami­nay. Tsiahivina fa ny federasionina irery no hany tomponantoka amin’ny fandefasana atleta hiatrika fifaninanana any ivelany fa ny ankoatra izay, tsy izy”, hoy Raherison Dominique.

Tompondaka

Partager sur: