Halatra omby: Dahalo roa maty

Dahalo roa maty, olona valo naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpangalatra omby tao Antabika, fokontany Antranokaky, kaominina ambanivohitra Vineta Andama­siny, distrikan’i Sakaraha, ny alin’ny alahady 2 novambra lasa teo. Nidiran’ny dahalo telopolo mahery ity tanàna ity. Araka ny vaovao azo, omby 107 nalain’ireo jiolahy, tafaverin’ny fo­konolona. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Efa nentina ao Toliara ireo mila fitsaboana tsy vita tany an-toerana. Manoloana ny zava-misy, ny firongatry ny halatra omby sy ny tsy fandriampahalemana ao amin’io disitrika io, manao antso avo amin’ny mpitondra mahefa ny solombavambahoaka voafidy ao Sakaraha, Longorafe, mba hanaovana “Opération” ho fanadiovana ny any an-toerana. Ny halatra omby izay manjaka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy tato ho ato. Vao herinandro vitsy izay, zandary miisa telo lavon’ny dahalo nandritra ny fifandonana.

CMS

Partager sur: