Minisitra Rasambany Alain Désiré: “Hojerena avokoa ny taranja rehetra”

Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe tany Espagne, ny faran’ny herinandro teo. Noraisin’ny mi­nisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, omaly, ireo maherifo nandrombaka medaly tamin’ny tompondaka maneran-tany. Nisongadina nandritra ny lahateniny ny hoe: “tsy maintsy hojerena mitovy avokoa ny taranja ara-panatanjahantena rehetra”. Natao izany mba hisorohana ny resaka fanavakavahana.
Ankoatra izay, niarahaba ireo Malagasy atleta ny minisitra noho ny zava-bitan’izy ireo. Nilaza izy fa tsy hijery fotsiny ny fitondram-panjakana, hisy ny mari-pankasitrahana manokana homena ho mariky ny fisaorana sy fankatoavana ny zava-bitan’izy ireo.
Vonona ny hiara-hiasa sy hanohana ny tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fanjakana.

Fitia Randria

Partager sur: