Vehivavy enina sy lehilahy efatra, hita faty tany Katsepy, omaly. Hita teo amoron-dranomasina ny sivy ary natsingevan’ny ranomasina ny iray. Nahitana pasipaoro manambara fa teratany somalianina ny roa tamin’izy ireo.
Tafakatra 10 ireo razana hita tany amin’ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, omaly. Vehivavy ny enina tamin’izy ireo, raha lehilahy ny efatra. Nahitana pasipaoro niaraka taminy ireo razana roa rehefa nosavain’ny tomponandraikitra, ary fantatra fa teratany somalianina izy ireo. Efa nentin’ny rano teny amoron-dranomasina ny razana miisa sivy. Fokonolona nandeha teny an-toerana no nahita ireo razana ireo ka nampandre ny tomponandraikitra. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa hita natsingevan’ny rano tany amin’ny vakim-paritra Ambanjabe, fokontany Antrema, kaominina katsepy ihany; omaly tolakandro. Nisahana ny fakana ny razana ny avy amin’ny Agence portuaire, maritime et fluviale (APMF). Tsy mbola fantatra ireo olona maty ireo sy ny antony nahatonga ny loza. Heverina ho mpifindra monina sy mpiondrana an-tsokosoko anefa izy ireo, raha ny fanazavana voaray.
Efa maty tamin’ny sabotsy
Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo avy ao an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana mahakasika ny tranga. Efa ho roa andro ary heverina ho tamin’ny sabotsy teo ny nahafaty an’ireo olona ireo tao anaty rano, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa simba tanteraka ihany koa ny razana ary tsy nisy nahafantarana azy intsony ny endriny. Nandefa solontena nijery io zava-misy ihany koa ny avy amin’ny Consulat général an’ny Nosy Comores. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ireo tomponandraikitra, izay tarihin’ny Talem-paritry ny APMF any Mahajanga, ny mpitandro filaminana ary ireo mpitsabo.
Tsiahivina fa lehilahy iray mpandefa olona miondrana an-tsokosoko voasambotry ny zandary ny sabotsy lasa teo, tany Antanambazaha Ambanja. Saron’ny zandary teo am-piandrasana fiaingana tao amina trano fandraisam-bahiny iray, tany Ampampamena, kaominina ambanivohitr’Antafiambotry, koa ny olona dimy, ny 31 oktobra 2025 lasa teo. Nikasa handeha hiondrana an-tsokosoko hiala an’i Madagasikara izy ireo.
Mino




