Famaliana ny fitakiana : Tsy ho very asa ireo mpia­san’ny Sirama Ambilobe

Nidina ifotony tany amin’ny Sirama Ambilobe ny iraky ny fitondram-panjakana. Namaha ny olan’ny orinasa sy ny mpiasa izy ireo tamin’izany.

«Ataontsika ny tsy hahavery asa anareo mpiasan’ny Sirama. Efa miroso any amin’ny fandaminana isika izao », hoy izy ireo, nanoloana ireo mpiasa. Nisedra olana tao anatin’ny  telo volana ireo mpiasa, nahatonga ny fitokonana. Eo ny tsy fahaloavana ny karama, ny tsindry ataon’ny mpitantana ny orinasa ary tonga hatrany amin’ny resaka kolikoly amin’ny fampidirana mpiasa. « Takinay ny hialan’ireo tomponandraikitra maromaro, mitantana ity orinasa ity, ka omena 72 ora izy ireo amin’izany », hoy ny solontenan’ny mpiasa.
Nanamafy ny minisitry ny Asa, Florent Soatiana Bety Leonne, sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy mian­kina, Rasoarahona Andriania­ina, fa zava-dehibe ny fifampiresahana  eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Vonona izy ireo ho mpanelanelana mba hikarohana ny vahaolana maika ao anatin’izao savorovoro izao. « Mila haverina amin’ny hasiny faran’ny haingana ny  orinasa Sirama », hoy izy ireo.

Vahaolana fohy sy lavitra ezaka

Samy nandray ny andraikitra tandrify azy ireo minisitra sy ny avy amin’ny orinasa ary ny mpiasa manoloana izao disadisa izao, ka efa manomboka miravona ny olana ankehitriny.
Tsiahivina fa maherin’ny 4 300 ireo mpiasa mampiho­dina ity orinasa ity amin’izao fotoana. Misahana ny famokarana ny siramamy kosa ny avy amin’ny Sucoma Ouest sucre. Miezaka ny hamarana ny fifanarahana amin’io orinasa io ny Sirama ka anisan’ny an­tony hitadiavana vahaolana lavitra ezaka sy fohy ezaka.
Araka izany, efa tokony hivaha tanteraka ny olana eo amin’ny orinasa.

Synèse R.

Partager sur: