Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpikatroka avy eto amin’ny ligin’ Analamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, izay ao anatin’ny ekipa nasionaly, nahazo ny fandresena teo amin’ny sokajy Senior latsaky ny 75 kg, lehilahy. Teo amin’ ny sokajy vehivavy kosa, nahazo ny medaly volamena teo amin’ny latsaky ny 68 kg, i Hasminah. Ligy anisan’ny nisongadina ihany koa ny ligy mampiantrano, i Vakinankaratra sy ny ligin’i Matsiatra Ambony, izay samy nahazo medaly volamena 5 avy. Tsiahivina fa ligy 20 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly ity. izay nahitana mpikatroka manodidina ny 400. “Nahatsapana ny fivoaran’ny teknika ity fifaninanam-pirenena ity”, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nifaninana tao anatin’ny fifanajana tanteraka ireo mpikatroka rehetra.
Mi.Raz




