Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita

Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Ka­tsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly ma­raina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pa­vois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo ra­zana hita ireo. Marihina fa 11 ireo razana hita tany an-toe­rana, afakomaly maraina ha­tramin’ny 10 ora alina. Hita tany amoron-dranomasina, vakim-paritr Ambanjabe, fokontany Antrema, ny sivy tamin’ireo. Hita natsingevan’ ny rano, tany Katsepy kosa ny lehilahy iray efa maty. Nitohy ny fikarohana ary vehivavy iray hafa hita faty tany amin’ny toerana tsy lavitra an’io toe­rana voalaza io. Efa simba tan­teraka ny razana ary tsy misy ahafantarana ny endriny in­tsony. Tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza sy ny fiavian’ireo nofo manga­tsiaka ireo. Nahitana pasipaoro telo manambara fa teratany Somalianina tamin’ireo nodimandry. Nahitana vola gasy mitentina 1 hetsy Ariary ihany koa. Efa misahana ny fanadihadiana ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Ankoatra izay, nisy ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny afakomaly alina. Tapaka nandritra izany fa nalevina omaly, tany Katsepy ireo razana hita tany Antrema. Mitohy ny fikarohana ireo razana mbola mety ho tavela any an-dranomasina ataon’ny avy amin’ny APMF.

Mino

Partager sur: