“Ankizy milalao”: Hisy sokajy vehivavy

Hotontosaina ny 8-9 novambra 2025, etsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Hetsika natao hanomezana sehatra ho an’ny ankizy mpankafy ny baolina kitra ary hahafahan’izy ireo mampiseho ny talentany. Hifanintsanana amin’izany ireo sokajy: U7, U9, U11, U13. Hampiavaka azy ny fisian’ ny sokajy vehivavy. Mikaraka ny hetsika ny sekoly Analakely Football Academy sy ireo mpanohana maro samihafa. Nam­baran’ny mpikarakara fa efa mandeha ny fisoratana anarana, ary voafetra ny toerana. Tanjona ny hanamafy ny fivoaran’ny baolina kitra eny ifotony sy ho sehatra iray hanomezana lanja ny hoavin’ny tanora malagasy. Ny hetsika ara-panatanjahantena tahaka izao no tokony ho tohanan’ny tomponandraikitra eto Madagasikara mba hahafahana manatevina ny fahaizan’ireo taninketsa sy hampiroboroboana ny taranja eto amin’ny firenena. Ankavitsiana ny lalao ho an’ny ankizy tahaka itony eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: