Baolina kitra U15 : Ekipa 32 nifantenana Barea

Notanterahina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus Sta­dium, ny alahady teo, ny fifaninanana baolina kitra sokajy zandriny, U15. Fihaonana no­karakarain’ny Association des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Tanjona ny hifantenana mpilalao handrafitra ny Barea U15, hiatrika «Tournoi» tanterahina atsy Maurice, ny volana desambra ho avy izao. Nahatratra 32 ireo ekipa nifaninana tamin’ity ka nisy ny za­zalahy ary teo koa ny zazavavy. Baolina kitra ho an’olona 9 no natao. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny ve­hi­vavy, ny Kicks FC. Nandresy ny UFA tamin’ny isa 1 no ho 0, izy ireo. Mbola tamin’io isa io ihany koa no nibatan’ny UFA ny amboara, teo amin’ny lehilahy, nandavoany ny UASFA. Voahosotra ho mpiandry tsatoby mendrika i Rovatiana (UFA). Mpamono baolina be­tsaka kosa i Ny Avo (Elgeco Plus) ary mpilalao tsara indrindra i Fetra (UASFA). Fanom­bohana ity fa hielipatrana ma­nerana ny faritra 22 ny fifantenana, hoy i Garang, anisan’ny mpikarakara. Nohamafisin’i Christian Kely fa arahi-maso akaiky ny resaka fangalaran-taona ka fanadihadiana maro no natao. Teo ny fijerena ny ta­ratasin’izy ireo any an-tsekoly, ny bokim-pianakaviana sy ny any amin’ny kaominina niaviany. Hialana ihany koa ny mety ho kolikoly mba hisian’ny baolina madio, takin’ireo mitady izany.

Tompondaka

Partager sur: