Niakatra fitsarana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahefatra, omaly, ny raharaha mahakasika ny famonoana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy, ny 21 febroary 2025 lasa teo. Nanomboka tamin’ny 9 ora, hatramin’ny 6 ora hariva ny fihainoana ireo olona 18 voampanga sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Taorian’ny fihainoana ny rehetra, voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina ny olona telo. Anisan’ izany ny PDS ny kaominina Mangataboahangy teo aloha. Samy nanda ny fiampiangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Nahitana porofo anefa tao anaty findain’ilay PDS nandritra ny fisavana sy fanaraha-maso ny hafatra tao anaty findainy. Teo koa ireo mpiasa roa lahy teo anivon’ny kaominina. Nisy nahita tamin’ny fitadiavana bala ary nihazo ny lalana nisian’ny famonoana an’i rasazy Narindra izy ireo. Firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona sy fidirana ao anatin’ny fikambanan-jiolahy ary fitazomanana basy tsy nahazoana alalana ny antony hiampangana azy ireo.
Tsy mahazo mivoaka ny faritra mandritra ny dimy taona kosa izy ireo aorian’ny sazy. Nosazian’ny fitsarana handoa onitra 100 tapitrisa Ariary ho an’ny fianakaviana avy ireo voampanga ireo. Nohafahan’ ny fitsarana noho ny fisalasalana kosa ny olona 15 ambiny, izay voarohirohy. Anisan’izany i Tsitohaina, anadahin’ny maty izay niray fiara taminy, ny Chef zap, ny mpamilin’ny fiara, ny ben’ny Tanànan’i Mandrosonoro, ny depioten’Ambatofinandrahana sy ny maro hafa. Ankoatra izay, didin’ny fitsarana ny hamerenana ireo finday nogiazana any amin’ny zandary nanao famotorana. Manana fe-potoana telo andro ireo rehetra tsy afapo tamin’ny didy hampiakatra ny raharaha.
Mino




