Hita faty nihohoka tao anaty lakandrano ny zazalahy vao herintaona sy tapany monja tao amin’ny fokontany Tsararivotra, kaominina Nosy Varika, ny talata 4 novambra teo. Niara-nilalao tamin’ny zokiny teo an-tokotany io zazalahy io, ny alatsinainy lasa teo. Tsy hita tampoka io zaza io, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Nikaroka azy ny fianakaviany sy ireo mponina manodidina. Nitohy nandritra ny harivan’ny alatsinainy 3 novambra ny fitadiavana ilay zaza. Hatairana ny an’ny ray aman-drenin’io zaza nokarohina io rehefa naharay loharanom-baovao izy ireo fa hita faty ny zanany. Tsy nanao akanjo ambony, nihohoka tao anatin’ny lakandranokely tsy lavitra ny lalana mihazo ny Lycée ao an-toerana ilay zaza. Manao ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.




