“Africa Cup 3×3” : Ekipa afrikanina 24 hiady ny amboara

Iray volana mialoha ny fifaninanana, nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa efa mandroso ny fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ity fifaninanana ity. Fanambarana nataony teny amin’ny biraon’ny FMBB 67 Ha, omaly.

Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 5 hatra­min’ny 7 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Ekipa, sokajy lehilahy 14 sy sokajy vehivavy 10 no hifaninana amin’izany, izay efa nahavita ny fanamafisana fisoratana anarana avokoa. Efa mandroso ary efa iray volana izay no nanomboka ny fikarakarana, araka ny nambaran’ny filohan’ ny FMBB. Delegasionina avy amin’ny Fiba 20 eo, miampy ireo ekipa teknika no ho avy eto Madagasikara. Hampi­avaka ity fifaninanana ity ny fisian’ny Var sy ny fampiasana fitaovana vaovao avy amin’ny Fiba. Notsiahivin’ny filohan’ny FMBB fa tombony maro no azo rehefa mandray fifaninanana iraisam-pirenena toy izao. Anisan’izany ny fanomezana voninahitra ny firenena mampiantrano sy ny fanomezan-danja ny ekipa ao aminy izay mampitombo ny herijika handrombahana ny amboara. Vonona hitazona ny anaram-boninahitra ny ekipa mala­gasy. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny taranja basikety amin’ny ankapobeny. Tsy vao sambany no mandray fifaninanana iraisam-pirenena
toy izao i Madagasikara. Ity “Africa Cup 3×3” ity no fifaninanana iraisam-pirenena faharoa noraisin’i Madaga­sikara raha ny tamin’ity taona ity. Anaty fanomanana tanteraka ny ekipa nasionaly. Efa telo herinandro izay no na­nom­boka ny fanomanan-tenan’ny mpilalao ary mitohy hatramin’ ny andron’ny fifaninanana izany. Efa manomboka manao ny sivana ihany koa ny ekipa teknika, ka 6 lahy sy 6 vavy no handrafitra ny ekipam-pire­nena hiatrika ity fifaninanana ity. Zava-dehibe ny fiatrehana sy fahazoana fandresena
amin’izao “Africa Cup 3×3” hatao eto Madagasikara izao satria fanombohana amin’ny fangalana isa ho amin’ny lalao Olympika hoavy, izay hatao any Los Angeles.

Mi.Raz

Partager sur: