Ankazomanga: Lehilahy tratra nanao sinto-mahery

Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ankazomanga, afakomaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Tratra teo am-­panaovana sinto-mahery teo amin’ny mpanao Cash point iray teny an-toerana izy tamin’io fotoana io.
Nisy olona iray nametraka vola manodidina ny 3 hetsy Ariary tamin’ny Cash point iray teny an-toerana. Nanamarina ny vola ny mpandray. Tampoka teo, nisy lehilahy iray nisintona ireo vola teny an-tanany sy ny teo ambony latabatra. Mbola nalainy ihany koa ny finday iray. Lasa nitsoaka avy hatrany izy avy eo. Niantso vonjy ny tompon’ny Cash point ka tonga nandray andraikitra manoloana izany ny polisy mi­sahana ny fifamoivoizana eny an-toerana. Nenjehina ilay mpangalatra ary voasambotra tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsiny. Naverina tamin’ny tompony ireo vola sy finday, taorian’izay. Naterina eny amin’ny biraon’ny polisy eny Antaniavo kosa io olon-dratsy io hanaovana fanadiha­diana. Anisan’ny ezaka ataon’ny polisy ny hamerina ny fandriampahalemana an-tanàn-dehibe

Mino

Partager sur: