Fomba fiasa vaovaon’ny polisy : Hiompana amin’ny fanabeazana hanara-dalàna

Mametraka fomba fijery sy fiasa vaovao ny polisim-pirenena manoloana ny fihavaozana sy fanarenana tanteraka apetraky ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repobikan’i Ma­da­gasikara. “Anisan’ny ezaka ataon’izy ireo ny fahazoana vokatra tadiavin’ny vahoaka, izany hoe, ny hisian’ny filaminana”, hoy ny tale jeneralin’ny polisy, ny Commissaire divisionnaire de police Tsara­monina Ravony, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo, omaly, tetsy Anosy. “Tsy ho foana ny polisy misahana ny fifamoivoizana fa hiompana bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena mba ho vanona sy hanara-dalàna eny an-dalambe rehetra eny”, hoy ihany. Vao mainka aza hitombo ny polisy miasa eny an-dalambe eny. Misy amin’ izy ireo no manara-maso ireo mpitondra fiara, moto, bisiki­leta raha misy ny tsy manara-dalàna. Tsy maintsy andrai­sana fepetra anefa ireo izay minia tsy manara-dalàna ma­te­tika. Tsy tokony hiandry polisy hisava vao hanara-dalàna, fa tokony hanao izany avokoa na tsy savaina aza.
Ezaka ataon’ny polisy koa ny ady amin’ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra misy eto Antananarivo sy manerana ny Nosy. Tsy holeferina ny fanaovana kolikoly ary aoka ho sahy hitoroka. “Tsy mandray vola ny polisy raha tsy manome ny mpamily. Andao mba hanara-dalàna sy handa ny kolikoly”, hoy izy nanamafy. Polisy mamaha olana fa tsy mitondra olana ho an’ny mpiara-monina ny tan­jona.

Mino

Partager sur: