Tontosaina mandritra ity herinandro ity ny fanaraha-maso ny Phagdis SDSP Tsiroanomandidy. Hetsika iarahan’ny tomponandraikitry ny programa
tsirairay eo anivon’ny distrika sy faritra, notarihin-dRamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava. Tanjona ny hanaraha-maso ny fitantanam-panafody, ahafahana manolotra fahasalamana ho an’ny rehetra.
Mitana andraikitra lehibe amin’ny fanorenana firenena matanjaka sy mandroso ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana, hampifanarahana ny fampianarana omena amin’ny filan’ny tsenan’ny asa, hampidirana sy hampivelarana ny tanora eo amin’ity sehatra ity.
“Ny diabeta sy ny fahaiza-miaina”. Io no lohahevitra ho an’ny ankizy sy tanora diabetika ary ny fianakaviany hovelabelarin’ny Amadia ny sabotsy izao, eny faravohitra. Hisy ny fizahana maso ho an’ny ankizy
diabetika, fizaham-pahasalamana faobe, fanaovana dosages HbA1C, fakana tosidra, refy sy lanja.




