Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny atrikasam-pirenena momba ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny MGD, ny Pam ary ny BNGRC izany.
Mampikorontana ny fiainan’ny zavaboahary ny fiovaovan’ny toetry ny andro kanefa tsy azo ihodivirana noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny rivodoza, tondradrano, haintany, ary ireo loza voajanahary hafa.
Nahafahana nifanakalo hevitra sy nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra isan-karazany, toy ny fambolena, rano, angovo, fahasalamana, fitantanana loza sy vonjy taitra, sy ny maro hafa ny atrikasa. Tanjona iraisana ny hampifanaraka ny vinavinan’ny toetr’andro amin’ny asa atao amin’ireo sehatra ireo mba hanampiana ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana andraikitra amin’ny fomba mahomby sy ara-potoana.
Nifampizara traikefa sy fomba fijery momba ny vinavinan’ny toetr’andro ny ankolafin-kery tonga nanatrika ny atrikasa ho fanatsarana ny fahavononan’i Madagasikara manoloana ny vokatra ateraky ny fiovan’ny toetr’andro.
Tatiana A




