Notanan’ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy mpivarotra zava-mahadomelina iray tratra tao Ampefiloha, fokontany Antanantanana, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, omaly. Nanao angom-baovao teny an-toerana, manoloana ny fisiana olona manaparitaka rongony ny solontenan’ny zandary. Nidina ifotony tampoka nanao fisavana ny tokantrano voatondro ho mpivarotra eny amin’io fokontany voatondro io izy ireo. Tsy afa-nanda, nahitan’ny zandary rongony anaty fonosana miisa 235 tao amin’ilay raim-pianakaviana. Milanja 850 g ireo entana tra-tehaka tao aminy ireo ary hamidiny ao an-tanàna ihany. Nentina avy hatrany namonjy ny tobim-paritry ny zandary ity farany ary nogiazana ireo rongony teny aminy. Marihina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemana matetika ny fiparitahan’ny rongony mahery vaika. Misy amin’ireo tanora rahateo manandranandrana ka miteraka tsy fahasalaman’ny saina tampoka ho an’ireo tsy mahazaka izany.
Tsiferana R.




