Fiara tra-doza teny amin’ny RN2: Maty tsy tra-drano ilay mpamily

Namoizana ain’olona iray indray teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny sampanan-dalana Galois Am­pasimadinika, Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly. Fia­ra an’olon-tsotra marika Hyundai, niloko maitso, nisongona kamiao mpitatitra entana, araka ny fitantaran’ny na­natri-maso. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ny mpamily io fiara io, kinanjo nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao iray hafa izay nifanoha-dalana taminy. Nanohy ny diany ary nandeha mafy ilay fiara an’olon-tsotra ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana. Nidona tamin’ny sisin’ilay kamiao nifanoha-dalana taminy ity farany. Vokany, nivoaka ny arabe ny fiara nentiny. Nivadika ka voa mafy tamin’izany ny mpamily io. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina tany anivon’ny toeram-pitsaboana ireo tao anatin’ny fiara. Tsy tana ny ain’ilay voalaza fa mpamily. Naratra ireo olona roa mpandeha tao anatin’io fiara Hyundai io saingy efa nahazo fitsaboana. Potika tanteraka ilay fiara. Manentana hatrany ny mpampiasa lalana eny anivon’ny lalam-pirenena hitandrina sy hanaja ny hafainganam-pandeha ny mpitandro filaminana. “Tsy fitandremanakely dia mety hampidi-doza tampoka ka aleo misoroka hatrany raha azo atao”,hoy ny fanazavana.

Tsiferana R.

Partager sur: