Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. Ny 18 hatramin’ny 20 desambra kosa no hanatanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isan-tarika. Samba­ny no natao mitokana izany, araka ny fitsipika eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ary sambany ihany no handray izany ny ligin’Analamanga, nambaran’ny filohan’ny ligin’Ana­la­manga ny karate, fa vonona izy ireo ary efa nanomboka ofisialy omaly ny fanomanana. Nambaran’ny filohan’ny federasiona ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile fa afaka mandray anjara daholo ny mpikatroka rehetra tsy ankanavaka ary afaka misoratra anarana amin’ny alalan’ny kliobany, na ny Seksiona, na ny ligy izy ireo raha toa mahafeno ny isa sy ny fepetra. Natao sahady izany hanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara amin’ny taona hoavy satria mila atleta 50 manana ny haavo teknika kontinentaly i Madagasikara amin’io fifaninanana io. Ma­nohana sy mifanolo-tanana amin’ny fikarakarana ity fifaninanana ity, ny orinasa SV, Vaniala ary ny Yas Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: