SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao hita omaly, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra indray ny fanombohan’ny lalao ho an’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Tsy nanome ny antony mazava amin’izay mety nampihemotra izany moa ny eo anivon’ny ligy. Marihina fa tokony natomboka anio izany fifaninanana eto an-dRenivohitra izany.
Anatin’ny fiomanana tanteraka ny mpikarakara ny “Muay Thai Tournament 3”, izay hatao any Toama­sina, ny 23 novambra izao. Efa voaomana avokoa ny fitaovana sy ny amboara hozaraina amin’ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas. Mitohy ihany koa ny fanomanan-tena ho an’ireo mpikatroka handray anjara.
Hifindra hila ravinahitra any Mayotte, ny Malagasy mpilalao basket, Randriamampionona Elly, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina ma­lagasin’ny basikety. Mpilalao anisan’ny tafiditra Anatin’ny ekipam-pirenena hifantenana izay hiatrika ny Fiba 3X3 Africa Cup i Elly, ka mbola anisan’ny miatrika fampivondronana ihany koa.
Efa tazana nandritra ny herinandro lasa teo ny lisitr’ireo mpilalao brezilianina, mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Brezila. Tsy tazana anatin’izany, i Neymar sy i Raphina ary i Endrick. Tsy mbola manana fahatokisana amin’i Neymar, araka izany, i Carlo Ancelotti, italianina, manazatra ny Seleçao Brezila.

Partager sur: