Andian-jatovo nifamono : Tovolahy roa namoy ny ainy

Raikitra ny sakoroka tao amin’ny efitranon-danonana, ao amin’ny fokotany Rano­mena, komininina Toama­si­na, ny alin’ny asabotsy 8 no­vambra hifoha ny alahady teo. Nifama­ly noho ny resa-behivavy ireo roa lahy. Naharitra izany ka ni­ditra an-tsehatra ny akaman’ ireo mpifanandrina, andaniny sy ankilany. Vokatr’ izay, raikitra ny fifandratrana. Voadaroka mafy, naratra ka tsy tanà ny ain’ny lehilahy iray. Nandositra ny nahavanon-doza. Tetsy ankilany, hitan’ireto namany fa tsy avotra in­tsony io lehilahy voa mafy io. Nanohy ny fikarohana ireo na­havanon-doza ma­nerana ny fokontany Ranome­na izy ireo. Tsy naharitra ela izany, raikitra ihany koa ny fifandonana teny anaty ala ary niafara ta­min’ny fahafatesan’
olona iray hafa koa izany. Namba­­ran’ny fokonolona fa nisy zandary manara-maso ny filaminan’ny alim-pandihizana tao an-toerana, saingy tsy afa-nanao na inona na inona. Efa tao anatin’ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ireto farany, hoy ny loharanom-baovao.

Mbola mifampihantsy aorian’ny fandevenana ny namany avy ireo andian-jatovo ka ho hita eo izay tohiny.

Sajo

Partager sur: