Mikiky miadana ao anatin’ny fikorontanana tanteraka ny olana eo amin’ny taranja baolina kitra sy ny rugby amin’izao fotoana. Tsy takona afenina toy ny vatan-kandrina ny zava-misy. Misy aretina, miverimberina ary mbola tsy ahitam-panafody hatramin’izao. Tsy vao izao akory izany fa efa hatramin’ny ela ary mbola tarazo mandraka ankehitriny. Koa aza mitsabo manao antsirambina, ka maty vao Ramalala. Ny lasa tsy mba miverina, fa ny nenina sisa mandatsa.
Tsy vitan’ny fifampiresahana intsony fa efa miditra lalina amin’ny fitakiana sy fanovana ny antsoantson’ny mpisehatra. Toa fanambadian’ny ratsy izy ity, mahitsy eo am-panorenana, fa mby an-tokantrano vao melomeloka. Mahavalalanina ny tranga fa mifanipaka toa valala an-karona izy rehetra. Ny tena mahagaga, samy tsy manaiky ho diso na ny andaniny na ny ankilany. Koa aza mitsabo manao an-
tsirambina, maty vao Ramalala.
Soron’afo anefa izy ity, ka raha maty adidin’ny akaiky. Izay akaiky vilany rahateo, feno arina ary izay manatrika tompon’adidy. Koa tsy vitan’ny kiakiaka fotsiny ny ivoahana ao anatin’izao lalan-tsarotra diavina izao. Ny tena zava-doza, toa mampiasa ny heriny sy ny tanjany ny vola ka zary voazarazara ny mpisehatra. Ny misitraka sy mahazo be, miezaka ny mamono afo. Manatsara ny sary miseho. Ny tsy mihinana, mandetika ny fantsika hatrany amin’ny farany. Tahaka ny toho miditra am-bovo ê, mazava andro hidirana fa maizina hivoahana. Koa aza mitsabo manao antsirambina ka maty vao Ramalala.
Tsarovy anefa fa ny mpiantsaravelatsihy dia mpiantsaravelatsihy ihany. Ny osy na mitsanga-tandroka ho omby aza, dia osy ihany. Na mibarareoka ho ondry aza dia osy ihany. Aza mitsabo manao an-tsirambina ary ka maty vao Ramalala.
Tompondaka




