Hotanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, karakarain’ny GISL. Efa vonona tanteraka ny fanatanterahana ity fifaninanana ity.
Raikitra ny fifaninanana! Andro sisa andrasana, araka ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas, avy amin’ny ny GISL (Grande île sports loisirs) mpikarakara. Efa roa herinandro izao no nandeha ny fanomanana rehetra amin’ity fifaninanana hatao any Toamasina ity. Ady 17 no hitranga mandritra izany ary saika ho tazana amin’io avokoa ireo nandray anjara tamin’ny andiany faha-2, natao farany teo teto Antananarivo. Hampiavaka ny amin’ity andiany fahatelo ity kosa ny fanatanterahana izany any amin’ny faritany, miala amin’ny mahazatra. Eo ihany koa ny haavo teknika izay antenaina fa hiakatra satria nanomana mafy daholo ireo mpikatroka. Tanjona ny hampandroso ity taranja Muay thai ity manerana ny faritra ka atomboka any Toamasina izany, araka ny nambaran-dRazanajatovo Carine. Nanteriny fa anatin’ny fanatsarana ny lenta teknika ny Nak Muay ankehitriny ka hisy ny fifampizarana traikefa taorian’ny niatrehana fiofanana tany Maorisy. Ankoatra ny isan’ny mpikatroka sy ny ady, efa fantatra ihany koa ireto klioba sy faritra handray anjara, anisan’izany ny klioba mpikarakara, ny GISL, ny Tiger’s, Team Dam, COSPN, Ambositra, Betafo, Antsirabe. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana raha ny fandaharam-potoana ary anisan’ny handray anjara ireo mpikatroka niatrika fifaninanana tany Maorisy farany teo, dia i Olga sy i Jerry izany. Manohana ny klioban’ny GISL amin’izao hetsika izao, ny Henri Fraise izay tarihin’i Charles, ka notoloran’izy ireo fisaorana manokana. Ny Henri Fraise no manome toerana hikotranana sy fitaovana ampiasaina mandritra ny fanomanana, eo ihany koa ny fanatanterahana ny fifaninanana.
Mi.Raz




