Fanakanan-dalana – RN4 : Jiolahy iray maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny zandarimaria, nandritra ny fisafoana tao amin’ny kaominina Ambondromamy, distrikan’Ambato-Boeny, afakomaly, ny jiolahy iray. Manoloana ny fitarainana voarain’izy ireo eny anivon’iny faritra iny, nanao paikady manokana tamin’ny alalan’ny fisafoana alina eny amin’ny manamorona ny lalam-pirenena faha-4 ny zandary miasa eo anivon’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpanao ratsy ny zandary. Nanao tari-dositra avy hatrany ireo mpanakan-dalana rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fanenjehana ary nana­poaka basy ny mpanao fisafoana. Niparitaka tanaty haizina ireo dahalo raha toa ka voan’ny bala ny iray tamin’izy ireo. Natao ny fanamarinana ka fantatra fa i Lavapizo io lavo io. Dahalo efa nokarohin’ny zandary miasa ao an-toerana hatry ny ela ity farany. Taksiborosy mampitohy ireo renivohi-pari­tany matetika no iharan’ny asa ratsy ataon’ireo mpanakan-dalana. Nanamafy ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo. Tanjon’izy ireo koa ny hametrahana ny fandriampahalemana maharitra.

Tsiferana R.

Partager sur: