Fiarabe mpitatitra iray nanitsaka olona tany Moramanga, omaly. Maty tsy tra-drano, vokatr’izany, ny vehivavy iray nitondra bisikileta.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany hariva. Nitranga teo alohan’ny sekolim-pinoana iray ao Moramanga ny loza. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona, nitondra bisikileta maty voahitsaky ny fiarabe mpitatitra iray. Avy aty Antananarivo, hihazo an’i Toamasina io fiarabe niavian’ny loza io, raha ny fanazavana voaray. Nandeha tamin’ny ankavanan-dalana ilay mpitondra bisikileta. Nisongona ity farany avy any aoriana anefa ilay fiarabe. Tsy fantatra mazava ny tena anton’ny loza fa heverina ho voafaokan’ny vodin’ilay kamiao ilay vehivavy ka maty tsy tra-drano.
Vaky ny lohany
Nandriaka tamin’ny arabe ny ra, vaky ihany koa ny lohan’ ilay vehivavy tra-doza. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria Moramanga. Taorian’ny tranga, tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny anadahin’ny maty. Efa notanana sy natao andrimaso eo anivon’ny biraon’ny polisy ny mpamilin’ny kamiao mba ho fiarovana azy amin’ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka sy ho tohin’ny fanadihadiana atao aminy.
Manoloana ny trangana lozam-pifamoivoizana misesisesy, entanina hatrany ny tsirairay sy ireo mpampiasa lalana rehetra mba hianatra sy hifehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Voakasik’izany avokoa ny mpitondra fiara, moto, bisikileta sy ny maro hafa.
Mino




