Mpianatra ho dokotera : “Zéro service” eny amin’ny hopitaly

Fampiakarana ny tetibolan’ny fahasalamam-bahoaka ho 15% no tena itoloman’ireo mpianatra ho dokotera. Mila voasonia ny fifanarahana izay efa voarafitra ary tante­rahina.

Mila ampiakarina 15% ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, hoy ireo mpianatra ho dokotera eny amin’ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nanam­batra feo izy ireo, omaly, nanao diabe niala teny Ankatso ni­hazo ny minisiteran’ny Faha­salamana eny Ambohidahy. Niray hina tamin’izy ireo ny mpianatra ho mpitsabo rehetra manerana ny Nosy, nanao ny blozy fotsy nilanja sorabaventy ho fanehoana ny fita­kiana.
5% ny tetibolam-panjakana ihany no natokana ho an’ny fahasalamam-bahoaka, raha ny voasoratra anatin’ny PLFI 2026. Tsizarizary, araka izany, ny sehatry ny fahasalamana ary mahatsiaro ho ankilabao tanteraka ireo mpianatra ho mpitsabo miantsehatra eny amin’ny hopitaly.
Miandry ny fanaovan-tsonia fifanarahana mazava sy fifanekena mihitsy vao afapo ka hampitsahatra ny “service zero” ireo Internes sy internes qualifiants. Miantso ny solombavambahoaka ihany koa hiara-hidinika ity tetibola ity ho fana­tsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny va­hoaka.
Tsy mbola miverina miasa ny internes sy ny internes qua­lifiants izay kitro ifaharan’ ny fampihodinana ny hopitalim-panjakana.
Tsy hihemotra velively ny Union des internes de Mada­gascar (U.I.M) raha mbola tsy mazava ny valin’ireny fita­kiana izay efa napetrany fa tsy sarotra tanterahina ireny.
Mandringa ny hopitaly rehefa tsy miasa ireo mpianatra ho dokotera ireo satria izy ireo no tena mifanerasera amin’ny marary sy ny mpiandry marary eny amin’ny hopitaly. Mizaka mivantana ny fanenjehana ataon’ny olona tonga mila fitsaboana eny amin’ny hopitaly manoloana ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tsy fahampian’ny dokotera, ny faharatsian’ny fotodrafitrasa…
Nandritra ny fitokonan’izy ireo, maro ireo marary efa no­lavin’ny hopitaly noho ny tsy fahampian’ny olona mpikarakara marary. Tsy ny eto An­tananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra.

Tatiana A

Partager sur: