Nilanja sorabaventy teny anoloan’ny minisiteran’ny Fitsarana, eny Faravohitra, omaly, ny fianakavian’ny lasibatra nandritra ny poa-basy nahafatesan’olona teny Andranoro. Mitaky ny fandrasain’andraikitry ny fitsarana ahafahan’ny marina mivoaka momba ny nahafaty ny fianakaviany izy ireo, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. « Tsy nangalatra na nandroba ny havanay kanefa notifirina ary niafara tamin’ny famoizana aina izany », hoy ny loharanom-baovao. Misy amin’ireo tanora lasibatra mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana. Anisan’ireo voa mafy ka niady tamin’ ny fahafatesana tao anatin’ny herinandro maromaro i Nekena, taorian’ny nahavoan’ny bala azy teo amin’ny faritry ny kibony, ny 26 septambra lasa teo. Nanao antso avo sy nangataka tolo-tanana teo anivon’ny tambajotran-tserasera ny fianakaviany, saingy tsy tana ny ain’io tovolahy io. Tsiahivina, nirefodrefotra ny basy ka namoizana aina olona teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Ambohibao Antehiroka, tsy lavitry ny trano fonenan’ny ray aman-drenin’ny filoha teo aloha, ny alin’ny 26 septambra lasa teo.
Tsiferana R.




