Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Maibahoaka Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nandrombaka ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Pac Ampitatafika, nahitana an’i Balôty sy i Salohy ary i Mamy Ronaldinho, rehefa nandresy ny APM Boeny, nisy an’i Jean-Marc sy i Sitraka ary i Augustin, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny 22 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, ny ekipan’ny Pac.
Ankoatra izay, lasan’ny SBA Ambohimahasoa ny teo amin’ny sokajy vehivavy, nisy an’i Hasina sy i Judicael ary i Felana. Ho an’ny zandriny indray nentin’ny HPMC + Matsiatra Ambony nody ny amboara. Nandrafitra ity ekipa ity i Franco sy i Jisaia ary i Ortega. Ho an’ny zokiny, “veteran”, tompondaka ny klioba C2BA, nisy an’i Ndrema sy i Rolland ary i Niry. Dingana manaraka ho an’ny Federation sport boule malagasy ny fiatrehana ny fanavaozana ny mpitantana isan’ambaratonga ka hisantatra izany ny an’ireo ligim-paritra. Fifidianana hotanterahina ny sabotsy 6 desambra ho avy izao. Efa fantatra avokoa ireo kandidà hiatrika izany ho an’ireo ligim-paritra miisa 12. Nanomboka omaly ka hatramin’ny 1 desambra ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà rehetra.
Tompondaka




