Manao antso vonjy amin’ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana isan’ambaratonga ireo vondron’ny tompon-tany any Antsihanaka. Nambaran’ireto farany, omaly, fa misy olona mibodo ny tanin’izy ireo 1000 ha any amin’ny kaominina telo, anatin’ny disitrikan’ Ambatondrazaka. Tany fambolem-bary izay novidian’ny ray aman-dreniben’izy ireo tamin’ny taona 1933.
Nisy olona nokaramaina niasa ny tany tamin’izany nefa namadi-pitokisana. Nisy mpivahiny niditra an-keriny koa teo amin’ny tany. Nihamafy ny herisetra sy fandrahonana ny taona 2023, toy ny fanapotehana ny fambolena. “ Niafara tamin’ny famonoana ny tompon-tany roa lahy izany, tamin’ny fomba feno habibiana teny an-tanimbary, ny taona 2021 sy ny avrily 2025 lasa teo”, araka ny filazan’izy ireo. Nisy nangalatra koa ny vary akotry 500 taonina teny an-tsaha, ny volana mey lasa teo.
“Efa niakatra fitsarana ny raharaha ary efa nahazo rariny izahay tamin’ny didy nivoaka, nefa misy hatrany ny sakana amin’ny fanatanterahana izany”, hoy Rasolofondraibe Toky, iray amin’ny tompon’ny tany.
Hatramin’izao, tsy misy ny fanenjehana sy fisamborana ny olona ampangain’izy ireo fa mibodo tany sy ahina ho namono olona. Takin’izy ireo ny hanatanterahana ny didim-pitsarana, ny fanasaziana ireo manam-pahefana sy tambajotra miray tsikombakomba amin’ ny fangalarana tany. Eo koa ny fiarovana ny tompon’ny tany ara-dalàna sy ny voly eny an-tsaha.
Marihina fa nikaroka ny vaovao sy naka ny hevitry ny andaniny izahay, omaly kanefa mbola miandry ny valiny avy amin’izy ireo
Mino




