Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja bisikileta. Nandrombaka ny medaly volamena, tamin’izany, i Eric, mpilalaon’ny Lalamby. Nosongonan’ity mpanamory bisikileta, ekipan’ny Lalamby ity, izany, i Mohamed Houlder, CosPN, izay nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’izany.
Tsiahivina fa efa indroa nandrombaka medaly volamena izay i Mohamed, hatramin’izay fifaninanana roa efa nandraisany anjara izay. Azo lazaina hoe nandresy ny ngeza ihany i Eric tamin’ity; satria i Houlder izay efa manana ny lazany tanteraka amin’ity taranja ity. Manaporofo izany ny nandrombahiny medaly alimo, tamin’ny «Lalaon’ ny Nosy 2023», ny nandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany farany teo, tany Rwanda.
Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Kenya, ny 19-23 novambra ho avy izao, i Mohamed Houlder. Afakomaly vao nahazo taratasy avy any amin’ny Federasionina afrikanina, (CAC), ny Federasionina malagasy ary efa eo am-pikarakarana ny taratasy fangatahana ny fanohanan’ny minisitera mpiahy ry zareo, ankehitriny. Marihina fa efa nanome tapakila iray ho an’i Houlder ny Federasionina afrikanina.
Fitia Randria




