Loza mitatao ho an’ny firenena ny mety ho fihenan’ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana na fiarovana ny vohoka tsy iriana. Raha ny salanisan’ny Instat farany, vehivavy 10 isan’andro maty mandritra ny fitondrana vohoka na maty eo am-piterahana. Ny 3 amin’ireo dia tovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona.
Zava-maika amin’ny fahasalamam-bahoaka ny tahan’ny fahafatesan’ireo tovovavy bevohoka isan’andro. Mila fandraisana andraikitra haingana amin’ny ady amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra izany
Tsy azo hihodivirana intsony ny fampiasana ireo fitaovana fisorohana ny vohoka tsy iriana, raha ny tarehimarika no jerena. Manamarina izany koa ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina; satria efa lasa filana fototra ho an’ireo efa zatra sy miankindoha tanteraka amin’izany izy io.
Na tsy dia resahina betsaka eny amin’ny fiarahamonina aza ny fampiasana ny fomba fisorohana ny vohoka tsy iriana eo amin’ny tanora, efa maro ny mampiasa izany. Misy ny tonga manatona mangina eny amin’ny tobim-pahasalamana miaro ny tenany sy mibanjina ny hoaviny.
Toraka izany koa ny renim-pianakaviana manao izany am-pahanginana na tsy fantatry ny vadiny aza, handrindrany ny fiainan-tokantranony sy tsy hisian’ny zaza tsy iriana. Malalaka amin’ny tenany rahateo ny tsirairay amin’ny fanaovana ity fandrindram-piterahana ity ary voaaron’ny lalàna feno.
Tatiana A




