Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibeny, eny 67ha, ny atrikasa nasionaly ho an’ny kung-fu Wisa. Ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany.
Fahombiazana no azo nandritra ny atrikasa nasionaly notanterahina teto Antananarivo, ho an’ny taranja kung-fu Wisa. Filohana ligim-paritra 13 no tonga nanatrika izany, nahitana ny avy any Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, Betsiboka, Sava, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony. Niampy ny ligin’Atsimo Atsinanana, Analamanga, ary Sofia. Tsy afaka nanatrika ny atrikasa kosa ny ligin’Anosy, Androy ary Analanjirofo ka nandefa taratasy fierana. Ireo maîtres lehibe sy loholona no nanatanteraka ity atrikasa ity ka nahatratra 70 teo izy ireo no niatrika izany. Mahakasika ny hoavin’ny kung-fu manontolo no nodinihina niaraka tao ka nahavelombolo ny fihaonana ary voaresaka tao ny lafin-javatra rehetra hoenti-mampandroso ity taranja ity manerana ny Nosy. Tsiahivina fa tafiditra tanteraka anatin’ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malagasin’ny kung-fu izao atrikasa natao izao. Indrindra ao anatin’ny fankalazana ny jobily faha-40 taona. Mbola maro ny fankalazana hatao amin’izany, fa anisan’ny goavana ity atrikasa tontosa ny faran’ny herinandro teo ity. Ny Birao FMKF, notarihin’ny Grand maître Avoko no nitarika ny fotoana. Ireo ekipa teknika sy administrativa kosa no nandrindra ny fandaharam-potoana rehetra nandritra izany.
Mi.Raz




