Lehilahy nanambana basy mpanao Cash point voasambotry ny polisim-pirenena tao Sambava, ny sabotsy 8 novambra lasa teo. Mody nanao toy ireo mpanjifa rehetra mivezivezy ireny io lehilahy io. Niditra tao amin’ilay toerana fangalana vola amin’ny alalan’ny finday izy. Nanontany vola raha toa ka manana ilay tompona Cash point. Nahita ny vola matevintevina tao amin’ilay toerana ity mpanao ratsy ity ka namoaka basy. Nambanany basy moramora ilay mpiasa, notereny hamoaka ny vola rehetra. Nandositra tampoka anefa ny mpihazona ity toerana fangalam-bola amin’ny alalan’ny finday ity. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana izy. Tadidin’io tompona kioska io ny endrik’ilay mpanao ratsy. Natao ny fikarohana ka tratra tao amin’ny trano fonenany ity farany. Tsy afa-nanda. Nahatrarana fitaovam-piadiana iray niampy bala telo, calibre 12, tany aminy.
Tsiferana R.




