Manao antso avo amin’ny minisitry ny Fitsarana ireo mpitory, lasibatra tamin’ny fivarotana tamin’ny alalan’ny fisandohana ny orinasany, mpitrandraka vato iray eto Madagasikara. Takin’izy ireo ny hanaraha-maso sy handraisana andraikitra mahakasika io raharaha io. Raha ny fantatra, nahazo fahafahana vonjimaika ny sinoa iray sy ny vadiny, malagasy, afakomaly. Izy ireo izay voarohirohy tamin’ny raharaha fisolokiana sy fanaovana hosoka ary fivarotana tsy ara-dalàna an’io orinasa io. Tompon’antoka voalohany tamin’izany izy ireo satria nitantana ny vola sy nanao ny sonia fifampivarotana. Voasazy higadra am-bolana maro izy mivady ireo, nefa izao nahazo fahafahana izao. Misy olona mitonona ho talen’ny kabinetra ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repobikan’i Madagasikara miaro ireo olona voarohirohy ireo ary miditra an-tsehatra ao amin’ny fitsarana, raha ny loharanom-baovao nambaran’izy ireo.
Taorian’ny fisehoan-javatra hafahafa, nitory avy hatrany ny lasibatra. Sinoa iray sy ny vadiny, teratany malagasy, karana iray ary Malagasy maro voarohirohy amin’io asa ratsy io. Notanana am-ponja ny olona efatra tamin’izy ireo. Nisoloky ho tompon’ny tany sy ny orinasa izy ireo ary nivarotra izany tamin’ny orinasa sinoa hafa. Anisan’izany ny mpiasa iray tao amin’ny kaominina Ambohijanaka. Voarohirohy tamin’ny famoahana taratasy fanamarinana sandoka ity farany. Tombanana ho 860 tapitrisa Ariary ny vola azon’izy ireo tamin’ity raharaha ity. Ankoatra izay, mbola tsy hita popoka ilay karana nisandoka ho tompon’ny orinasa, hatramin’izao.
Mino




