Baolina kitra : Niova ananara ho Ufia ny UFFOI

Hiverina ny fifaninanana ho an’ireo ekipa tompondaka, taranja baolina kitra, aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hiova anarana izy amin’ity ka ho lasa Ufia (Union du football des îles et archipels), raha UFFOI teo aloha. Hitantana izany mandritra ny efa-taona ny filohan’ny Mauritius Football Association (MFA).

Hisy indray ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ra­no­masimbe Indi­anina, ho an’ireo ekipa tompondaka, amin’ny taranja baolina kitra. Io no tapaka nandritra ny kaongresy nataon’ireo filohan’ ny federasionina sy sekretera jeneraly avy amin’ireo Nosy mi­isa enina, ny alahady 9 novambra lasa teo.
Fihaonana notanterahina tao amin’ny Hotel Le Suffren, tao Port-Louis, Maurice. Ta­paka, nandritra izany, fa na­tsangana ny Ufia (Union du football des îles et archipels) na ny firaisan’ny baolina kitran’ ny nosy sy ireo vondronosy aty amin’ny ranomasimbe In­dianina. Mpikambana ao i La Réunion, Mayottes, Maurice, Comores, Madagasikara ary i Seychelles. Voafidy ho filoha hitantana ny UFIA mandritra ny taom-piasana (efatra) i Samir Sobha, mpitantana ny Mauritius Football Association (MFA). Ao Maurice ny foibe toeran’ny Ufia, izay eo am­bany fiahian’ny Fifa.
Raha tsiahivina, hisolo ny UFFOI (Union des federations du football de l’Ocean Indien), izany ny Ufia. Ekipa nandrombaka ny amboara be indrindra tamin’ny UFFOI ny Cnaps Sport, intelo nahazo ny anaram-boninahitra. Tsy nisy in­tsony ny fifaninanana ny taona 2016 noho ny fahasahiranana ara-bola nahazo ireo firenena sasany, toa an’i Comores sy i Mayottes.
Tanjon’ny Ufia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Nosy ary hampiroborobo ny fifanakalozana ara-teknika, amin’ny alalan’ny fifaninanana ao anatin’ny firaisankina sy ny fandrosoana iombonana. Hisy koa ny fifaninanana ho an’ny vehivavy sy ny sokajy zandriny. Andra­sana, araka izany, ny ho fitsipiky ny fifaninanana sy ny ho fizotrany ary ny fotoana hanombohany.

Tompondaka

Partager sur: