Fanolanana zaza: Mpivady niara naiditra am-ponja

Niara-naiditra am-ponja izy mivady noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanolanan-jaza tany Miarinarivo. Tovolahy iray kosa migadra 5 taona noho ny fanolanana, tetsy Ankazomanga.

Voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, omaly, ny tovolahy nanolan-jaza tsy ampy taona tetsy Ankazo­manga. Niakatra fitsarana tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha momba io fanolanan-jaza io, omaly. Nanampa­ran’ilay tovolahy 19 taona ny filan-dratsiny ny zazavavy vao 13 taona monja, ny desambra 2024 lasa teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny fianakavian’ny zaza noho ny fahasimban’ny zanak’izy ireo sy ny fahapo­tehan’ny fiainan’ity zaza ity. Niroso tamin’ny fanamarinana rahateo ny mpitsabo ka hita fa niharan’ny fanolanana ilay zazavavy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, araka izany, ny nahavanon-doza. Nentina natao famotorana, ary natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana. Notanana von­jimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, taorian’io. Nia­katra fitsarana omaly ny raharaha. Dimy taona no sazy nomen’ny mpitsara an’ ilay mpanolana. Raha tsiahi­vina, nisy ny fandrasaina fe­petra nataon’ny filoha teo aloha manoloana ireo mpanolana. Anisan’izany, ny « castration » izay tsy ahafahan’ilay nanao ratsy miteraka intsony. Tsy naharenesam-peo intsony ny momba io fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana teo aloha io taty ao­riana.

Mpivady naiditra am-ponja

Ankoatra izay, olona roa hafa naiditra am-ponja ao Ampasamanantongotra, kaominina Ambanivohitra Miari­narivo II, omaly. Nanolan-jaza miisa roa, izay vao 8 taona sy 10 taona, ny raim-pianaka­viana iray, ny 7 novambra teo. Niray tsikombakomba tamin’ ny fanatanterahana ny filan-dratsiny ny vadin’io rangahy io. Niara-notanana izy mivady ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja azy ireo izao.

Tsiferana R.

Partager sur: