Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Japon : Manan-danja ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka

Nizara ny asa vita nandritra ny telo taona naha masoivohon’i Japon azy teto Madagasikara sy Comores i Abe Koji, tamin’ity herinandro ity, teny Ivandry. Tapitra ny fe-potoam-piasany.

Anisan’ny nisongadina ny lafiny fanatsarana ny sosialy mipaka amin’ny vahoaka. Tafiditra amin’izany ny tetikasa fanatsarana ny fitaovana ampiasaina hitantanana ny fako eto an-dRenivohitra. Nanomboka ny taona 2022 ny asa ary mitentina 850 tapitrisa yens (6 tapitrisa euros) ny sorabola natokana hanatanterahana izany. Fakana ny fako isaky ny toby sy ny fitaterana azy eny Andralanitra no nosahanin’ny fiarabe manokana. Ho an’ny fanabeazana, tohana teknika tamin’ny Tantsoroka ho an’ny fitantanana ny sekoly (Tafita) no niarahana niasa tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nohamafisina koa ny rafitra mitantana ny sekoly, nampandraisana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary ny fokonolona eny ifotony. Nisitraka fiofanana ny mpanabe raha nomena fampianarana fanampiny ny mpianatra hahazoana fandaharam-pianarana tsara kalitao mandritra ny taom-pianarana ho an’ny faritra 23.
Nisitraka tohana koa ny fahasalamana, tamin’ny fahazoana fitaovana hampiasaina eny anivon’ny hopitaly any amin’ny faritra. Notanterahina ny taona 2023 ny tetikasa ka 7,21 tapitrisa euros ny sorabola nokirakiraina. Nahazo fitaovana fitarafana toy ny scanners, fitaovana fanaovana échographie ny hopitaly fito (CHU sy CHRR), Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa ary Maevatanàna.
Mitondra fanjarian-tsakafo ny fananana fiahiana ara-tsakafo ka nanampy tamin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra ny masoivohon’i Japon. Tamin’ny alalan’ny tetikasa fanatsarana ny voly vary ho an’ny afovoantany (PAPRiz) no nanatanterahana izany. Tanjona ny hampiakatra ny vokatra ho 2,7 hatramin’ny 5t isaky ny hektara.

Vonjy

Partager sur: