Nampahafantatra ny fikarohana nandraisan’ireo Malagasy anjara ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Famantarana ny niandohan’ny moka an-tanàn-dehibe mpitsentsitra ran’olombelona ao Londres no nanaovan’izy izany.
Tambajotran’ny fikambanana sy manam-pahaizana iraisam-pirenena antsoina hoe PipPop (the Culex Pipiens PoPulation Genomics Proect), miara-miasa amin’ny fikarohana lalindalina kokoa momba ny fivoaran’ity karazana moka ity, izy ireo. Mitondra aretina toy ny « fièvre du Nil occidental » sy « filariose lymphatique » io moka nanaovana fikarohana io.
Fiaraha-miasa namoahana vokatra vaovao, notarihin’ireo siantifika avy ao amin’ny Oniversiten’i Princeton.
Nandritra ny taona maro, nihevitra ny manam-pahaizana fa io moka io izay nivoatra avy amin’ilay moka mpitsentsitra ram-borona antsoina hoe Culex Pipiens form Pipiens, tao amin’ny metro sy lakandrano any Eoropa Avaratra. Saingy manohitra izany kosa ity vokatry ny fikarohana vaovao ity.
Rehefa nodinihina ny AND an’ireo moka an’arivony nangonina manerana izao tontolo izao ary anisan’izany ny avy eto Madagasikara dia hita fa efa nipoitra mihoatra ny 1 000 taona lasa io moka an-tanàn-dehibe io.
Tatiana A




