Ny sokajy Amateur no nisantatra ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana, tanterahina any Abu Dhabi. Nanana solontena tamin’ izany i Madagasikara, izay ahitana an’i Nomasy. Resin’i Oliver Gahrmaker, tamin’ny alalan’ny “soumission”, izy. Anisan’ny nandray anjara teo amin’ity sokajy Amateur ity ihany koa i Bryan, lavon’i Vincent Baudron tamin’ny isa 6 no ho 3. Manana solontena 11 tsy mbola niakatra an-tsehatra i Madagasikara amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany tanterahina any Abu Dhabi ity. Raha ny fandaharam-potoana, hiditra an-tsehatra, anio, ireo atleta hifaninana amin’ny “World Para” sy ny “World Festival”. Manantena ny hahita vokatra tsara ireo solontena malagasy ho amin’ny anio, izay azo lazaina ho manana ny teknika ilaina hahazoana izany fandresena izany.
Mi.Raz




