Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Tanambao Bitavolo, kaominina Ampasina Maningory, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny talata lasa teo. Nihidy avy any ivelany ny trano ka nosokafana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra teo ambony fandriana no hitan’ny fianakaviana. Nahitana tsatoka antsy maro ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Anisan’ny nahitana izany ny teo amin’ny tendany sy ny lohany, izay nitarika azy tamin’ny fahafatesany. Ankoatra izay, nikorontana ambony ambany ny entana tao an-trano. Tsy mbola fantatra ny zavatra very nandritra izany.
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny zandary sy ny mpitsabo taorian’ny antso avy amin’ny fianakaviana. Raha ny fantatra, io ramatoa namoy ny ainy io sy ny vinantolahiny no nijanona tao an-trano ny alatsinainy, raha toa ka niala ny trano handeha hiantsena kosa ny zanany vavy tamin’io andro io ihany. Gaga anefa izy rehefa niverina ny talata fa trano mihidy sy zava-doza no novantaniny tao an-trano. Ny vadin’ny zanany vavy io ihany no ahina nanao ny loza, raha ny fanazavana voaray. Tsy hita anefa ny nalehan’ilay vinanton’io ramatoa namoy ny ainy io hatramin’izao ary efa mikaroka azy ny mpitandro filaminana.
Mino




