SOMBIM-BAOVAO

Araka ny loharanom-baovao voaray omaly, avy eo anivon’ny tomponandraikitry ny CFEM, fantatra fa nisy ny fivoriana teny anivon’ny Federasionina malaga­sin’ny baolina kitra (FMF), omaly, mahakasika ny fitohizan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League », sy ny fifanintsanana D2 nasionaly. Andrasana, araka izany, ny vokatr’izany fivoriana notontosaina omaly izany.
Nikatona omaly ny fifidianana ny baolina tafiditra mendrika indrindra tamin’ity taona ity ho an’ny “Caf Awards”. Anisan’ny Malagasy mpilalao, tafiditra anatin’ izany i Fely Calvin. Ny baolina tafidiny nandritra ny famaranan’ny Chan, izay nifanandrinana tamin’i Maroc, no nahatonga azy ao anatin’ity lisitra ity. Ny “Caf Awards” izay hotanterahina ny 19 novambra ho avy izao, any Rabat, Maroc.
Nanamontsana zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara ilay Malagasy mpilomano, voalohany
amin’ny vehivavy, Rabejaona Holy Antsa. Nandritra ny fifaninanana nasionaly natao tany Hongrie, ny 6 hatra­min’ny 9 novambra 2025 lasa teo, rehefa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakam-pirenena, lomano amin’ny dobo mirefy 25m. Teo amin’ny 50m dos, 100m NG ary 200 m NG no nahavitany izany.
Miditra amin’ny herinandro faha-4 amin’ny fampivondronana ireo mpilalao basikety manomana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, lalaon’olona telo, lahy sy vavy, na ny “Africa Cup 3×3” 2025. Fifaninanana hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra 2025. Vehi­vavy mpilalao 10 sy lehilahy 11 sisa no mandrafitra ny ekipa malagasy, hatreto.

Partager sur: