Tototry ny tany : Mpitrandraka volamena namoy ny ainy

Olona efatra nifamonjena, nihotsahan’ny tany, tao amin’ny karieram-bolamena iray ao amin’ny tanànan’­ Ambohi­ni­hao­nana, distrikan­’Ifana­diana, ny talata 11 novambra teo. Mivelona amin’ny fitrandra­hana harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ireo olona lasibatra. Nanorana matetika ny andro tao anatin’ny herinandro, nitohy hatrany anefa ny asa andavanandron’ireo mpivelona amin’ny fitrandrahana tao an-toerana. Niho­tsaka tampoka ny tany manodidina ny kariera. Saron’ny tany ireo mpitrandraka. Nifa­nampy namonjy ireo tra-doza ny mponina. Olona efatra to­totry ny tany.

Olona telo hafa avotra
Vantany vao nisy ny fiho­tsahan’ny tany, nanao izay ho afany ny vatan-dehilahy nanatri-maso, nisokitra sy nanavotra ireo olona rehetra tototra tao. Avotra soa aman-tsara, tamin’izany, ny telo tamin’ireo niharan-doza. Nananosarotra ny famonjena ilay mpitran­draka fahefatra. Tsy tana ny ain’ity farany taorian’ny fisokirana azy tao ambanin’ny ra­nontany.
Manoloana ny tranga tahaka izao, mila mailo hatrany ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany mandritra ny vanim-potoan’ny orana tahaka izao, hisorohana ny loza mety hitranga. Mora mihotsaka mantsy ny tany rehefa vonton’ny orana ka mety hahafaty.

Tsiferana R.

Partager sur: