Barean’i Madagasikara: Betsaka ireo mpilalao nosoloina tamin’ny ora farany

Tsy araka ilay lisitra navoakan’i Corentin Martins ny zava-misy eo anivon’ny Barean’i Madagasikara. Miova hatrany ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale.

Araka ny tati-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, misy fiovana ny firafitry ny mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, hidona amin’i Guinée Equato­riale. Fihaonana hotanterahina ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao, any Antalya, Turquie.
Fantatra mantsy fa mpilalao telo mirahalahy no maratra ka tsy ho avy hanatrika ny lalao. Anisan’izany i Andy Pelmard sy i Waren Caddy ary i El Hadary. Ankoatra azy ireo, tsy ho anisan’ireo ho tonga any an-toerana koa Rakoto­harimalala Njiva, izay manana olana amin’ny
pa­­sipaorony. Manoloana ireo tran­ga ireo, tsy maintsy naka fanapahan-kevitra vonjimaika ny mpanazatra Corentin Martins, ka niantso an’i Fenohasina Gilles hisolo ny toeran’i Njiva. Nanainga omaly ihany koa i Tony, mpilalaon’ny Elgeco Plus, hanolo an’i Andy Pelmard.
Andrasana izay mety haka ny toeran’i El Hadary sy i Waren Caddy, na ho mpilalao avy eto an-toerana na ireo milalao any Eoropa. Ho fahabangana goavana ny tsy fisian’i El Hadary sy i Caddy, lohalaharana sy mpampidi-baolina. Mbola mampiahiahy ny maro koa ny toe-batan’ireo mpilalao avy eto an-toerana noho ny tsy fi­sian’ny fifaninanana amin’izao fotoana izao.
Raha tsy misy ny fiovana, tokony ho tafavory omaly ha­riva avokoa ireo mpilalao re­hetra nantsoina ary hiatrika avy hatrany ny fanazaran-tena mi­araka. Tsiahivina fa 23 mirahalahy ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins hiatrika ity lalao tsapa amin’i Guinée Equa­toriale ity. Tsy misy ireo vaovao ao anatin’izany, fa telo no naverina ka anisan’ireny i Thomas Fon­taine sy i Aca­pan­dié ary i Hakim Abdallah.

Tompondaka

Partager sur: