Hotanterahina ny 19 novambra ka hatramin’ny 21 novambra ho avy izao ny fikaonandoham-pirenena kristianina voalohany, eny amin’ny ISTS katolika Mandrimena, Iavoloha, karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Madagasikara.
Fotoana ireo hanasana ny kristianina te hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fanarenana ny firenena, haharitra hateloana. Na anaty fikambanana na olon-tsotra, samy afaka manatrika fa vonona hifampizara sy hihaino ny mpikarakara, araka ny fanazavana azo. “Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-190 taonan’ny Baiboly ny fikaonandoha hatao. Hamerina ny hasin’ ny tenin’Andriamanitra eo amin’ ny fiarahamonina sy ny tanindrazana ka ho mpianatra ny firenena”, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny hetsika, Randrianasoloarimina Tiana, omaly.
Fampivondronana lehibe voalohany ny kristianina rehetra ny fikaonandoham-pirenena kristianina ary sambany ho an’ny tantaran’ny fiangonana satria tsy anavahana antokom-pinoana izany. Fihaonana ahafahan’ny kristianina mahita ny zavatra ijoroany mba hiombonany ka handraisany andraikitra bebe kokoa amin’ny fiainana andavanandro sy eo anivon’ ny firenena ihany koa. Hanan-danja ny tsiahy ara-tantara sy ny lova ara-panahy hizarana ny zavatra efa nisy tany aloha, hampifandraisina amin’ny tantaran’ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao.
Fotoana handraisan’ny kristianina an-tanana ny firenena ny fihaonana eny Mandrimena ka hiara-mihevitra ny mpikatroka rehetra ao anatin’ny asam-bondrona inefatra miantaona. Sehatra folo no iompanan’ny dinika: fanabeazana¸ politika, fivavahana, tanora, zavakanto sy ny fiderana, fianakaviana, serasera, teknolojia, tontolo iainana, toekarena. Misy ny tenin’ Andriamanitra mifandraika amin’ireo ka izay no fototra iaingana amin’ny asam-bondrona. Hofaritana koa ny fomba hanantanterahana azy isaky ny sehatra. Handray anjara mivantana sy amin’ny alalan’ny fifandraisana ampitain-davitra ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny fihaonana.
Vonjy




