SOMBIM-BAOVAO

Hiverina amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ny fitantanana sy fikarakarana ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Natao izany, hahafahana mandray an-tanana ny fanohizana ny asa mifandraika amin’ny fepetra takin’ny Kaofederasionina afrikanina (Caf), hahazoan’ny kianja fankatoavana. Ny volana janoary, amin’ny taona 2026 izao, no hametraka ny taratasy fangatahana hahazoana fankatoavana ho an’io kianja io indray i Madagasikara.
Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby, omaly, nanainga ny alin’ny 12 novambra teo, ho any Kenya, ny Makis Ladies Sevens, handray anjara amin’ny « Africa Women’s Sevens ». Lalao hatao ny 13 hatramin’ny 17 novambra 2025, any Kenya ihany. Ny mpanazatra Maminarivo Hajasoa Andriamaro na ny Coach Mamikely no mitondra ny ekipam-pirenena any an-toerana. Mpilalao 12 mirahavavy no mandrafitra ny ekipa. Anisan’izany ry Jinah, mpilalao miavaka amin’ny hafainganam-pandeha sy ny teknika ary ny traikefa maro efa ananany.
Naratra ka tsy afaka nifaninana i Diary (-53 kg tepany fotsy), sokajy “Word Jiu-jitsu Festival”, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja JJB, tanterahina any Abu Dhabi. Omaly no anjarany kanefa izao tsy afaka niatrika izao izy noho ny ratra nahazo azy efa nanomboka tamin’ny fanafanam-batana. Mbola mitohy ny fifaninanana ho an’ny Malagasy, ho amin’ny anio.
Ady anisan’ny andrasana ny fifandonana eo amin’i Patrick (Tiger’s) sy i Angelo (Cosfa), eo amin’ny so­kajy latsaky ny 63,5 kg, amin’ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, tanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao. Mpikatroka maro sy kalaza ihany koa no efa vo­nona amin’ity fifaninanana ity izay efa manoman-tena mafy.

Partager sur: